<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>307</hymn_number>
<title>lza no hanompo an'i Jeso soa? FFPM307</title>
<lyrics>[V1]
 Iza no hanompo an'i Jeso
 soa ?
 Iza no hanaiky mba ha Azy
 moa ?
 He, ny hatsarany ! he, ny
 antra be !
 Fa Izy ta-hamonjy, ka meteza
 re !
 Jeso Tomponay ô !
 Indreto izahay
 Avy mba hanaiky,
 Ka mandraisa anay.

[V2]
 Iza re no mety, iza re, lazao,
 Hanome ny fony mba ho Azy
 izao ?
 He, miantso mafy Jeso
 Tompo tia,
 Izay rehetra mety, ô ! avia,
 avia !
 Jeso Tomponay ..sns.

[V3]
 Iza no mba sahy, sahy ao
 am-po
 Ho miaramila fehin'i Jeso ?
 Iza no hiady ady tsara re,
 Fa ny fahavalo dia marobe ?
 Jeso Tomponay ..sns.

[V4]
 Iza re no homba Azy
 ankehitrio
 Mba hamonjy ireny azon'ny
 manjo ?
 Iza no hihafy sady hanome
 Andro, hery, saina ?
 Mamalia e !
 Jeso Tomponay ..sns.

[V5]
 Iza no hazoto mba hiasa
 moa ?
 Iza no handroso mba ho
 hendry koa ?
 Iza no hanaiky, iza re ?
 lazao !
 Mba ho an'i Jeso, izao anio
 izao ?
 Jeso Tomponay ..sns.</lyrics>
<author>C. Roberts</author>
</song>